Nodimandry i Sabine Rafanomezantsoa
>> YOUR LINK HERE: ___ http://youtube.com/watch?v=d6765AGNFwE
Nohon'ny #Kolikoly sy ny fijerevana tavan’olona dia #Nodimandry ny Alarobia faha 28 ny volana Jolay 2021 tamin’ny 10 ora sy sasany maraina tao an-tranony teny Andohatapenaka i Rafanomezantsoa Sabine Natacha noho ny aretina izay nahazo azy izay tsy nahazoany fitsaboana ara-dalana noho’ny tsy fananam-bola satria dia tsy neken'ny dokotera hiverina any amin’ny hopitaly i Sabine raha tsy manana vola mitentina 3. 500. 000 fmg hanaovana scanner. • #Nangataka fanampiana *SOS* teto amin'ny tambajotra facebook teto ihany moa i Sabine sy ny fianakaviany saingy tsy nisy nanolo-tanana ka izao izy nodimandry izao . • _Niaina aretina mafy, tsy nisy fitsaboana nandritra ny fito volana mahery i Sabine . • Namonjy toeram-pitsaboana iray tao Befelatanana ny fianakaviana saingy noho ny tsy fasian’ny vola dia nasaina niverina nody tany an’tranony i Sabine , niala andraikitra tamin’ny fiahiana azy tanteraka noho ny tsy fisian’ny hoenti-manana teo am-pelatànany ny dokoteram-panjakana izay nantenainy hikarakara ny fahasalamany. • _Tsy tratry ny eo am-pelatànana intsony ny sarany takian’ny hopitalim-panjakana, nanantona fikambanana ihany i Rafanomezantsoa Sabine Natacha , an’isan’izany ny _ Association *Fitia* fa tsy nahaitambokany izany . • #Tranga iray nosinganina tamin’ireo mpahazo ny vahoaka sahirana amin’ny faritra maro manerana ny nosy izao mahakasika an’ity renim-pianakaviana izay taterina eto ity izao. • _Tsy hitorab-bato na hanameloka na iza na iza izahay fa ny tantara izay niainan’ity fianakaviana ity dia zavatra mitranga amin’ny maro indrindra ireo olona sahirana . • Horonan-tsary nontotosain'i : Rafalimpanantsoa Andrinirina Sarah.
#############################
