MOFONAINA 07 AOGOSITRA 2024 FJKM ISOTRY FITIAVANA











>> YOUR LINK HERE: ___ http://youtube.com/watch?v=fCTvEXBtQ5Y

MOFONAINA ALAROBIA 07 AOGOSITRA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA • https://fjkmisotryfitiavana.org/hafat... • Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy • Eks 4.15a • ===== • FANDAHARANA • Sal 24,1-5 • Hira 167 • (Midera ny anaranao) • Vavaka • Hira 428/1.3 • (Reko izao ry tompo) • (Tsy handeha irery) • SM Eks 40:12-16 • Hira 283/1.5 • (Mananjara ry Jesosy) • (Nefa raha izaho irery) • HAFATRA • Vavaka + RZA • FP1 • Hira 338 • (Arovy aho Tompo) • Tsodrano • ===== • HAFATRA • EKSODOSY 40:12-16 • FITARIHANA • Ity anjara mofon'ainantsika ity dia mitantara ny nanamasinana an'i Arona sy ny zanany ho mpisorona. • Manamasina ny tenany ny mpino: • Maneke ho amasinina • Araho tsara ny dingana rehetra • 1. MIDIRA AM-PIANGONANA. EKEO NY FAHOTANA • FAMPIHARANA: • Misy ireo tsy miditra am-piangonana fa manamasina ny tenany samirery any amin'izay misy azy any. • Angaha ny mankany am-piangonana ihany no mivavaka? • Ny fandaminan'ny fiangonana dia ny hoe aty am-piangonana ihany no hatao ny Batisa, fandraisana ho mpandray, mariazy... • ANTSO: • Manamasina ny tenany ny mpino: Tadiavo ny fiangonana akaiky anao indrindra. • Midira ho isan'ny mpiara-mivavaka. • Aiza ny fiangonana misy anao. • EKEO NY FAHOTANA: • Voalaza eto fa nampandroina i Arona sy ny zanany. • Fidiovana ara-bakiteny izany nefa misy hevi-panahy ny amin'ny fibebahana sy ny famelan-keloka koa. • Hevitry ny fanaovam-batisa no lazaina eto raha entina aty amin'ny vanim-potoana kristianina. • FAMPIHARANA: • Tsarovy fa aty am-piangonana no andrenesantsika sy andraisantsika ny famelan-keloka. • Sary aohatra: Diniho eny amin'ny fiaraha-monina fa misy hita soritra hoe efa andro sy volana eny taona aza no isaina tsy nandray rano isasana. • ANTSO: • Midira am-piangonana, Mibebaha dia raiso ny famelan-keloka. • Aza varimbariana na mangataka andro hibebahana. • Arosoy amin'ny Batisa koa ireo izay mbola tsy vita. • Oviana ianao no nibebaka farany? • 2. ARAHO NY FITAIZANA. RAISO NY FANAHY MASINA • FAMPIHARANA: • Ny mampiakanjo eto dia toy ny mametraka endrika, fijery, toetra vaovao... • Ny fampiakanjoana eto dia sarin'ireo fanofanana sy dinika samihafa ataon'ny fiangonana mialoha ireo fotoam-panamasinana araka ny karazany avy. • ANTSO: • Manamasina ny tenany ny mpino. • Tsy ampy ny hoe: Miditra am-piangonana mibebaka sy voavela heloka fa tsy maintsy manaraka ny fampianarana hatrany isika mba hitafy toetra vaovao mandrakariva. • Inona ny toetra voaova na vaovao nentin'ny Toriteny sy ny fampianarana efa renao? • RAISO NY FANAHY MASINA: • Rehefa vita ireo dingana ireo dia voalaza fa nohosorana amin'izay i Arona sy ny zanany. • Fanosorana dia milahatra amin'ny fanomezana sy fandraisana ny Fanahy Masina. Izany fanosorana izany no mametraka azy ireo amin'ny fanompoan'ny mpisorona. • FAMPIHARANA: • Faly miofana fotsiny fa tsy nahazo hery. • Tsy mitombo, tsy misy fiovany • Mihinana fa tsy voky. • Mpivavaka tsotra mandra-pahafaty. • ANTSO: • Rehefa niditra am-piangonana dia nibebaka sy voavela heloka isika ary nandre sy nandray fampianarana maro. • Raiso ny Fanahy Masina. Midira lalina kokoa amin'ny fanompoana. • Efa noraisinao ve ny Fanahy Masina ary inona ny asa fanompoana ataonao ao amin'ny fiangonana? • FEHINY • Manamasina ny tenany ny mpino: • Midira ho isan'ny mpiara-mivavaka. • Ekeo ny fahotana ary raiso ny famelan-keloka. • Araho ny fitaizana, raiso ny Fanahy Masina, tanteraho ny fanompoana.

#############################









New on site
Content Report
Youtor.org / YTube video Downloader © 2025

created by www.youtor.org