Karaoke gasy REVIREVINAY TALOHA ERICK MANANA











############################# Video Source: www.youtube.com/watch?v=rhs0EAD9lOU

REVIREVINAY TALOHA • #karaokegasy #gasykaraoke #tononkira • Tononkira - Paroles - Texte - Lyrics • Revirevinay taloha, mihirahira eo ambony tamboho. • Guitara vaky no hifandimbiasanay eo, • Malaina ery ny hifandao, maraina vao misaraka... • Revirevinay taloha, misotrosotro eo ambony tamboho • Rehefa madiva ho faty masoandro • Mirongatra ny vinany, dia teraka eo ilay hira vao... • Homehy irery aho mahatsiaro • Irony hatanorana zalahy • Be reo hadalàna, mafy loha tsy azo raràna • Antitra ihany ity...ny farany a! • Revirevinay taloha, mikaoty sipa eo ambony tamboho • Miandry izay hiravan'ny mpianatra • Dia manadàla anareo...Andriambavilanitra. • Revirevinay taloha, mivangabao eo ambony tamboho • Ny fiainana no mba nampianatra any • Ny soa, ny ratsy, ny fady...tapitra nolalovanay. • Homehy irery aho mahatsiaro • Irony hatanorana zalahy • Be reo hadalàna, mafy loha tsy azo raràna • Antitra ihany ity...ny farany ah • Ô ry akamako taloha, • Rahoviana indray no ho eny ambony tamboho? • Hisary adala faramparany a! • Fiainana ity efa fohy... ka asio fiverenana • Erick Manana

#############################









Content Report
Youtor.org / Youtor.org Torrents YT video Downloader © 2024

created by www.mixer.tube